Ry Tanindrazanay malala ô
Ry Madagasikara soa,
Ny fitiavanay anao tsy miala,
Fa ho anao, ho anao doria tokoa.
Tahionao, ry Zanahary
Ity Nosin-drazanay ity
Hiadana sy ho finaritra:
He sambatra tokoa izahay
Ry Tanindrazanay malala ô,
Irinay mba hanompoana anao
Ny tena sy fo, fanahy anananay
Zay sarobidy sy mendrika tokoa
Ry Tanindrazanay malala ô,
Irinay mba hitahiana anao
Ka ilay Nahary izao tontolo izao
No fototra ijoroan'ny satanay.


